Iray volana taorian’ny nandraisan’ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ny andraikiny, dia tonga nitsidika ny akany fitaizana zaza kambotin’ny Tafika Malagasy teny Antsahasoa Pagod Iavoloha ny tenany, ny alarobia 06 may 2020 teo. Fotoana izay nitondrany fankaherezana ho an’ireo mpanabe ireo ankizy 07 mianadahy tezaina eo anivon’ny akany ity sady nanararaotany ihany koa nanolorany fanampiana ho azy ireo. Vary 32 lasaka, menaka 20L, ronono 20 Bte, « mofo mamy na « biscuits » », savony 20 baoritra, aro tava, tambavy CVO Organics, fitaovana fitsapana mari-pana, ary vola 1 tapitrisa ariary no nomeny tamin’izany.
Santatra am-bavarano ihany izao, fa nanamafy izy fa hisy ny fidinana ifotony isam-bolana hatao eny an-toerana ka ifandimbiasan’ireo lehibena vondron-tafika 03 misy, dia ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina sy ny Etamazaoron’ny Tafika an’habakabaka, ho fiahiana manokana ireo ankizy tezaina eo anivon’ny akany. Tsy nohadinoiny ihany koa ny nanafatrafatra mikasika ny fiahiana ara-pahasalaman’ ireo ankizy sy ny mpanabe manoloana ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao, amin’ny fiadiana amin’ny tsimokaretina « Corona virus ». Tsiahivina fa ity akany ity, dia natao handraisana sy hitaizana ireo zanaka miaramila lavo teo am-perinasa. Mahafeno ny fepetra rehetra ilaina amin’ny maha akany azy izy. Hita ao avokoa ny birao hoan’ny mpitantana sy ny mpiasa, ny toeram-pitsaboana, efitrano fatoriana, efitrano fianarana, efitrano famakiam-boky, lakozia sy toeram-pidiovana izay afaka mandray ankizy 48 mianadahy 06 hatramin’ny 12 taona.
T.M.