- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Jiolahy 5 lahy mpamaky trano saron’ny zandary

Antsirabe : Jiolahy 5 lahy mpamaky trano saron’ny zandary

Jiolahy 5 lahy mpamaky trano gaigy lahy no saron’ny zandary tao amin’ny koaminina Ambohitsimanova Antsirabe II. Avy nanao asa ratsy tao amin’ny kaominina Sahanivotry izy ireo izao tra-tehaky ny zandary izao. Tovolahy iray nitondra entana nampiahiahy no nifanena tamin’ny zandary nanao fisafoana ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Avy hatrany dia nosamboraina ity farany ary noho ny tahony angamba dia nibaboka avy hatrany ranamana fa entana halatra tamin’ny famakian-trano tao Maromandraisoa ireo. Nanoro ny namany hafa izy, avy teo, ary 5 no vosambotra hatreto. Nambarany fa telo lahy izy ireo no nanao fanafihana tamin’izany. Sabatra, barre à pince no fitaovana fitondrany rehefa manafika. Fantatra nandritra ny fanadihadiana  fa efa mpamerin-keloka ny iray ary efa nigadra tamin’ny resaka fanafihana hatrany. Voalaza fa manana ekipa maro izy ary saika miova hatrany ireo namany fitondrany manafika rehefa miova tanàna. Niditra am-ponja avy hatrany izy dimy lahy raha mbola eo am-pikarohana ny namany kosa ny mpitandro filaminana.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici