- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVaky trano eto Toamasina : Jiolahy sivy tratra, fahitalavitra fisaka telo sarona

Vaky trano eto Toamasina : Jiolahy sivy tratra, fahitalavitra fisaka telo sarona

Isan’ny mitondra tsy filaminana eto Toamasina amin’izao hamehana ara-pahasalamana sy fihibohana izao ny resaka vaky trano atao na andian-jiolahy am-polony miaraka amina fitaovam-piadiana toy ny sabatra sy ny antsy fohy ary basy vita gasy. Ireo fahitalavitra fisaka sy ireo firavaka volamena ary ireo finday samihafa no tena halain’ireo jiolahy.

Taorian’ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana notarihan’ny zandary mpitarika ny Emmo-Sécurité, dia tovolahy 9, saingy ny iray voakapan’ny antsy ny tongony ka mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly be no tratran’izy ireo. Sarona niaraka tamin’ireo koa ireo fitaovana fampiasan’ireto jiolahy amin’ny famakiana trano, sy ireo entana halatra ahitana fahitalavitra fisaka 3 avy nangalarin’izy ireo. Ny 2 ka ny iray mbola tsaboina fa naratra mafy tapa-tongotra tamin’ireo 9 tratra dia teny amin’ny fokontany 11/43 Andranomadio. Raha ny fanazavan’ny tompon-trano, dia nopotsirin’izy ireo ny varavarana tokony ho tamin’ny misasak’alina; tsy naharitra ela tao an-trano ireto jiolahy ka ilay fahitalavitra fisaka ihany no nentin’izy ireo na nisy ireo zava-maneno azo nalaina samihafa aza niaraka taminy, tamin’io fotoana io. Ny 7 lahy ambiny tamin’ireto mpamaky trano kosa dia tratra tao Tanambao Verrerie; izay niafina tao anatin’ny fiara “tri-cycle” mpamatsy mofo vao maraina amin’ireo mpivarotra “Epicerie”. Ilay fiara “tri-cycle” hita tany amin’ny toerana tsy tokony hahitana azy no nisavana ny tao anatiny ka tratra ambodiomby teo ny nafenina rehetra. Niampy fahitalavitra fisaka Roa sarona niaraka tamin’izy 7 lahy tamin’izany fotoana izay.

Ankoatra izay, dia nambaran’ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana, fa efa hita soritra ireo mpividy sy mpandray ireto fahitalavitra fisaka mahatonga ireo jiolahy mangalatra azy. Tanàna manodidina an’i Toamasina no mpandray izany araka ny vaovao, ka eo am-panarahan-dia izany ny zandary izao ka ho hita eo ny vokatry ny fanadihadiana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici