- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025

Tapatapany

#- Namontana.Nahita fatin-dehilahy ny teny amin’ny fokontany Namontana, omaly. Lehilahy lehibe tokony ho eo amin’ny 60 taona mahery teo ho eo. Tsy nahita ratra teny aminy ka ankevitry ny hanohanana, na harerahana no nahafaty ity lehilahy ity raha ny filazan’ny mponina. Hatreto dia tsy misy mahafantatra ny mombamomba an’ity lehilahy ity. Ao amin’ny tranompatin’ny HJRA no misy ny razana amin’izao fotoana izao, ho an’izay mety mahalala na fianakaviany.

#- Mandoto. Mirongatra izay tsy izy ny halatr’omby any amin’iny distrikan’i Mandoto iny, raha ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenenana. Nandefa zandary vitsivitsy araka izany ny avy aty Antananarivo, hanampy ireo efa any an-toerana, entina hiadiana amin’izany asan-dahalo miha-mahazo vahana izany.

# – Fanondranana olona any ivelany. Taorian’ny nahatratrarana olona 14, saika halefa any ivelany, fantatra izao fa misy hafa ihany koa karohana. Marihana moa fa vehivavy avokoa izy ireo ary nampanatenaina asa any Arabie Saoudite. Ny telo tsy ampy taona fa nanaovana taratasy hosoka. Ny vaovoa no nahafantarana fa nisy ampahany teny Ivato no sarona ary ny sasany mbola teo am-pikarakarana taratasy.

Nangonin’i m.L/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser