- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Olona 6 nisy naka an-keriny, tsy mbola hita

Andilamena : Olona 6 nisy naka an-keriny, tsy mbola hita

Tamin’ny herinandro lasa teo, fianakaviana iray manontolo no nisy naka an-keriny tao amin’ny trano fonenany tany Andilamena. Valo ry zareo no iray trano. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina, nisy jiolahy enina nirongo basy, tonga naka azy ireo. Ny fito no nentin-dry zalahy fa misy iray kilemaina navelany. Voalazan’ny vaovao fa nisy toerana nitondrana an’ireo olona ireo. Afaka nandositra anefa ny zazalahy kely iray. Avy hatrany dia nandeha tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy io. Natorony ny toerana nitondrana azy mianakavy nefa efa tsy tao intsony ny rainy, ny reniny ary ny mpiraitampo aminy efatra. Hatramin’izao, hoy hatrany ny vaovao, tsy mbola fantatra izay nasian’ireo mpaka an-keriny azy enina mianaka. Tsy mazava ihany koa ny antony nangalana ireo olona ireo. Mpamboly tsotra mipetraka eo amin’ny 3 km miala ny tanànan’Andilamena ry zareo. Tsy mpanankarena akory fa tambanivohitra.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser