Ny zoma 08 mai teo no voasambotra tao amin’ny fokontany Ampasipotsy Fenerivo atsinanana ity tovolahy iray 24 taona, isan’ny mpanao sy mpampiasa ireny tambajotran-tserasera facebook ireny. Ny antony nisamborana azy dia noho ny fitorian’ny fanjakana azy fa naniratsira ny filoham-pirenena tamin’ny filazana nataony tao amin’ny facebook nanao hoe maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary Fenerivo atsinanana ity tovolahy ity dia ny 12 mai teo no niakatra fampanoavana mitarika ny fanenjehana ao Fenerivo atsinanana ihany ny raharaha, ka didy savaranonando nivoaka ny fiandrasan’ity tovolahy ity am-ponja any an-toerana. Raha ny fantatra dia famoahana vaovao tsy marina, faniratsirana ny filoham-pirenena, ary fampirisihana amin’ny fankahalana ny filohan’ny repoblika, no anton’ny fanenjehana ity tovolahy ity, araka ny angom-baovao natao. Ankoatra izay dia nomen’ny zandary fampitandrena sy karohana ihany koa izao noho ireo vaovao marobe avoakany tsy marina ny vondrona facebook Ino Vaovao à Toamasina izao. Tsara marihina ihany koa fa tsy mitovy na samy IMT aza ny fanafohezana azy ny vondrona Ino vaovao à Tamatave, sy ity vondrona Ino vaovao à Toamasina hifampitadiavana ity. Ka ilay mpitantana (adminisitrateur) ny kaonty tsy manaja ny fepetran’ny famoaham-baovao anaty tambajotran-tserasera facebook no hanenjahana azy amin’izao fotoana izao. Ho hita eo ity raharaha ity satria efa nampitandrina fa hampihatra lalana ny zandary noho ny zava-misy.
Malala Didier