- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversHotel St Germain – Antsahavola : Simba ny entana, very ny 20...

Hotel St Germain – Antsahavola : Simba ny entana, very ny 20 tapitra Ariary

TRANO-(4)«Vao mangiran-dratsy dia efa tonga ry zareo, niaraka tamina vadintany, sy vatan-dehilahy mahery ny 20 tany ho any. Nandravarava, nandroaka anay sy ireo mpanjifa tao amin’ny hôtely ary nanidy ny trano».

Ny asabotsy maraina teo no nitranga ity sarika am-pandriana nihatra tamina hôtely iray, tetsy Antsahavola ity. Araka ny filazan’ny tompon’ny hôtely , Rtoa Rajaonarivelo, dia tsy nisy fampandrenesana akory na taratasy fampilazana mialoha fa dia tonga fotsiny amin’izao ireo vadintany niaraka tamin’ireo lehilahy marobe, nandroaka azy ireo tamin’ny trano, nandravarava ny entana, nanipitsipy izany tany ivelany mihitsy. Mpiasa iray monja no tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity tamin’io fotoana io, ka nanararaotra ireo lehilahy nibata izay zakany. Anisan’izany ny toaka lafo vidy sy ireo vola tao anaty « coffre ». Mitentina 20 tapitra ariary no teti-bidin’ny entana simba sy very nandritra izany fandroahana niampy herisetra izany. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia saika nisy fikasihan-tànana, niharo ompa sy teny fandrahonana, nihatra tamin’ireo olona tao amin’ny hôtely.

Tsy nahaloa hofan-trano ?

Raha ny tantara, ny taona 2013 no nifarana ny fifanaraham-barotra nisy tamin’ity hôtely ity sy ny tompon’ny trano. Taorian’io dia nangataka fanavaozana ny tompon’ny hôtely, saingy tsy nety nanome izany intsony ity tompon-trano. Nanambara mazava anefa Rtoa Rajaonarivelo fa nandritra izay fotoana izay, ka hatramin’izao dia voaloa ara-dalàna ny hofan-tranon’izy ireo. Efa nampiakatra fitsarana mihitsy aza ireto farany, satria ny hofan-trano mandeha foana nefa ilay fifanaraham-barotra, tsy mety azo, raha nolazaina fa tsy nahaloa hofan-trano ity hôtely ity, araka ny voalaza hatrany. Nilaza ihany koa Rtoa Rajaonarivelo fa « nambara ho tsy ara-dalàna ny antonta-taratasy nipetrahanay tato, nefa efa any am-pelan-tanan’ny mpisolo vava avokoa ny porofo rehetra ny amin’ny tsy fahamarinan’izany ». Mitaraina araka izany ny tompon’ity trano fandraisam-bahiny ity. Ity ramatoa ity, izay nandraiki-narary mihitsy, taorian’io zava-niseho io. Trano nihidy kosa no novantanina raha saika hangataka fanampim-panazavana avy amin’ilay tompon-trano izahay.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser