- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Antsapanimahazo : Naiditra am-ponja ny Ben’ny tanàna sy ny Sefo fokontany

Raharaha Antsapanimahazo : Naiditra am-ponja ny Ben’ny tanàna sy ny Sefo fokontany

Nanao tatitra mikasika ny raharaha Antsapanimahazo –Antsirabe zy zareo avy amin’ny zandarimariam-pirenenana omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Voalaza tamin’izany fa 27 no isan’ireo olona voasambotra tamin’iny raharaha iny ary natolotra ny fampanoavana avy hatrany tao Antsirabe. 26 amin’ireo voasambotra ireo no nampidirina am-ponja vonjimaika, ka anisan’izany ny Sefo fokontany Antsapanimahazo sy ny Ben’ny tanànan’Antsoantany. Raha hiverenana kely ny mikasika ity raharaha ity dia nosakan’ireo mponina tao Antsapanimahazo ny lalam-pirenena faha-7. Antony, tsy famelàna ny hitondran’ny mpitandro filaminana ilay mpivarokena, hivoaka ny tanana, izay saika nanaovana fitsaram-bahoaka. Voalazan’ireo mponina mantsy fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny fahaverezana omby teo an-tanàna ity lehilahy ity.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser