- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN34 : Fiara roa nifandona, niafara tamin’ny firehetana

RN34 : Fiara roa nifandona, niafara tamin’ny firehetana

Fiara nipetraka teo amoron-dàlana, tamin’iny làlam-pirenena faha-34 iny no nodomina fiara « minibus » iray. Avy hatrany dia nirehitra izy ireo vokatr’izay. Niteraka tahotra sy savorovoro teo amin’ireo mponina

Miova tsy toy ireny horonan-tsary ireny mihitsy no nitranga tao an-tampon-tananan’i Betafo tao, ny alarobia lasa teo. Nifandona ireto fiara roa ary may kila hotohoto vokatry ny firehetana nony avy eo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia toa hoe tapaka hisatra ilay « minibus » kanefa somary nandeha mafy. Hany herin’ny mpamily dia nanao izay nampijanona ilay fiara tamin’ny fomba rehetra, nialàna tamin’ny mety ho faty olona mikararana. Fiara kely iray niantsona teo amoron-dàlana no niantefan’ny sain’ity mpamily ity natao kaliny ka nadonany avy hatrany tamin’izay ilay fiara nentiny. Mafy dia mafy anefa ny fifandonana vokatr’izay ka niteraka pitik’afo. Izany indray avy eo no naharay ny solika tao amin’ilay fiara kely ary sendra ny gazoil mahamay tao amin’ilay minibus. Nidedaka avy hatrany ny afo, narahana fipoahana. Nikoropaka tanteraka ny mponina samy niezaka namonjy ny ainy. Nisy tamin’ireo olona sasany moa niezaka namono ny afo tamin’ny fitaovana teo am-pelan-tanana ihany, saingy tsy ampy velively namonjena ireo fiarakodia izany. Vokany may, kila hotohoto, tsy nisy afa-tsy karaom-by sisa ireo fiara roa. Soa ihany anefa, raha ny vaovao voaray fa tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy. Efa teny an-toerana nanao ny fanadihadiana rehetra moa ny mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici