Lasa hatramin’ny peratra mariazy izay teny an-tànany. Nobatain’ireo jiolahy koa ny fahitalavitra telo, ny finday rehetra tao an-trano. Miisa fito izany raha araka ny fanampim-baovao azo. Dimy lahy mitam-basy no tompon’antoka tamin’ny ity fanafihana nitranga tao amin’ny fokontany Tsilazaina-Ambohijanaka. Tokony ho tamin’ny misasakalina no nigadona ireo jiolahy izay namotika ny varavarana fidirana ary niditra tamin-kery tao amin’ilay trano. Tsy nisy olana tamin’izy ireo ny tohiny, satria tsy afa-nanoatra ilay ramatoa izay efa lehibe no tsy mba nanana fitaovam-piadiana akory. Tsy vitan’izany fa mbola izy tenany irery ihany no tao amin’ilay trano fonenana. Afaka nanaram-po arak’izany ireo olon-dratsy naka izay nety tamin’izy ireo, eny fa hatramin’ny peratra mariazy aza. Nisy koa ny vola azon’ireo, fa mbola tsy voafaritra tsara omaly. Rehefa vita ny fandrobàna dia nitsoaka nizotra nankany Alasora ireo olon-dratsy. Nandalo tamin’ny fokontany Varahina, raha araka ny fanamarinana avy amin’ny zandary. Nisy fanadihadiana nosokafan’ny “poste avancé” ao Alasora, momba ity asa ratsy ity. Mbola manamarina hatrany ny tranga toy izao, fa tsy manakana ny jiolahy amin’ny asa ratsiny ny fisian’ny « couvre-feu » amin’ny alina. Toa mainka aza izy ireo mahazo vahana, satria tsy misy mivezivezy intsony amin’ny alina ary afaka manaram-po arak’izany. Midika izany, fa mila manao fisafoana any anaty tanàna ary mivezivezy ny mpitandro ny filaminana amin’ny alina ary tsy tokony hionona amin’ny fisavàna eny amin’ny arabe fotsiny. Indrindra ho an’ireo tanàna manodidina an’Andrenivohitra.
D.R