- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Bandy roa mamo, nifanindrona antsy

Mandoto : Bandy roa mamo, nifanindrona antsy

Hadalana kely sy tendrom-po tsy voafehy tao anaty fahamamoana no nanimbàna ny fiainana iray manontolo. Tovolahy iray no voatery nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tao Mandoto, voarohirohy tamin’ny resaka vono olona, izay tsy iza fa ny namany ihany. Araka ny fampitam-baovao azo, dia niara-nisotrosotro tao amina toeram-pivarotana iray tao Ankazondrano, fokontany Andavamena, kaominina Ambary, distrika Mandoto tao ireto roa lahy ireto; izay mpinamana ihany. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any, tsy fantatra mazava anefa izay zava-nitranga fa nanomboka niha-niakatra ny feo ary tonga hatramin’ny fifamaliana mihitsy. Efa tsy atao mahagaga intsony moa ny zavatra toy izany any amin’ireny trano fisotroana ireny ka tsy nahataitra ny tompon’ny fivarotana ihany koa izany. Nony elaela anefa, hoy hatrany ny vaovao dia nangina tampoka ilay fifamaliana ary tsy nitohy intsony. Nangina loatra indray ka lasa nampiahiahy ny rehetra. Kanjo inona , fa rehefa nojerena tokoa ny trano dia toa tsy nisy tao intsony izy roa lahy. Rehefa nojerena akaiky anefa dia indro fa nisy rà mandriaka tamin’ny tany. Ny iray tamin’ireo nifamaly teo no indro fa mitsirara amin’ny tany mifatotra tongotra aman-tànana. Tsy vitan’izay anefa, fa nisy ratra navelana tsatok’antsy teo akaikin’ny sorony. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon-trano. Nentina novonjena avy hatrany ity farany, saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny rà very taminy be loatra. Ilay namany kosa nitsoaka, saingy fantatra fa voasambotra ihany tao anatin’ny fotoana fohy. Efa eny am-pelan-tànan’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny famotorana ilay zalahy io amin’izao fotoana izao, raha ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici