- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Mpitaingina moto scooter tsy nanao aro loha, tena...

Lozam-pifamoivoizana teny amoron-dranomasina : Mpitaingina moto scooter tsy nanao aro loha, tena voa mafy ilay mpitondra moto

Ny alarobia tolakandro teo tokony ho tamin’ny 03ora sy sasany, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana nateraka moto scooter teo amin’ny 30m tsy hiditra ny tetezan’ny Hopitaly be eny amoron-dranomasina Boulevard Ratsimilaho. Tovolahy roa nanao taingin-droa tamina moto scooter RSz avy any amin’ny faritry ny Hopitaly be hihazo ny “residence maison blanche” no niakatra sisin-dàlana (trottoir), ka nifandona tamin’ity fiara tsy mataho-dalana niantsona teo am-bavahadin’ny tompon-trano. Vokatr’izany fifandonana izany, dia voa mafy vaky loha ilay mpitondra moto izay sady tsy nanao aro loha ihany koa, ka na nentina haingana teny amin’ny Hopitaly be aza dia tena nampanahy ny ainy, nefa efa manao ny ezaka rehetra amin’izany ireo mpitsabo ao. Raha ny vaovao koa, dia tsy dia naninona loatra ilay nanao taingin-droa tamin’ity moto scooter nentiny na naratra mafy vokatry ny fikorisana sy fikapohana tamin’ny arabe ihany koa. Raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny fifamoivoizana eto Toamasina, dia nandeha mafy ireto mpitaingina moto scooter ireto, ka noho ny zava-nitranga nandritra izany no niteraka ilay fandonan’izy ireo ilay fiara niantsona teo an-tsisin-dàlana teo am-bavahadin’ny tompon-trano.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici