Efa miteraka tahotra ho an’ny olona na mampitangorona azy aza ny fahitana ireo olona mitsirarara ho azy etsy sy eroa eto Toamasina. Taorian’ilay tovolahy tsy mana-kialofana teny akaikin’ny stade monisipaly moron-dranomasina ny alakamisy tolakandro teo, dia nisiana tovolahy iray hafa ihany koa tao bazary Valpinson omaly misandratr’andro. Tovolahy vao 22 taona manao arotava ara-dalana no nitsirara tampoka teo an-davarangana mpivarotra iray. Imason’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 eto an-drenivohitr’I Betsimisaraka moa dia efa maro ireo nieritreritra fa izany no nahazo ity tovolahy ity.
Raha ny fanazavana azo anefa dia fantatra fa olona mararin’ny “hepatite B” avy nitsabo tena tamina toeram-pitsaboana tsy miankina tao amin’ny Cité Valpinson. Saingy mafy loatra angamba ny aretina efa mahazo azy ka tonga tamin’izao izy raha nikasa ny andeha hody. Efa naka azy teny amin’ny bazary Valpinson ny ekipan’ny mpamonjy voina ary nanatitra eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be miandry ny fianakaviany haka azy. Nomarihan’ny ekipan’ny mpamonjy voina tsara fa efa nanaovan’ny BMH fitsirahana ara-pahasalamana na efa vatana mangatsiaka aza ilay tovolahy ary tsy nahitàna soritraretina Coronavirus mihintsy ny tenany. Na izany aza raha misy ny fakan’ny fianakaviany azy dia tsy afaka alevina ivelan’i Toamasina ity tovolahy ity araka ny fepetra efa noraisin’ny fankanjana nanomboka ny alakamisy teo tamin’ny fivorian’ny BNGRC sy ny CCO ary ny CRCO
Malala Didier