- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIhorombe : Rongony 378 kg sarona, olona 25 voasambotra

Ihorombe : Rongony 378 kg sarona, olona 25 voasambotra

Nisesisesy mihitsy tato ho ato izay ireo rongony sarona. Ankoatry ny teto an-dRenivohitra ny herinandro lasa teo, dia fantatra ihany koa fa rongony efa-jato kilao latsaka no azon’ireo zandary miasa any amin’iny faritra Ihorombe iny, teny am-pelan-tànan’ireo mpanao trafika. Olona 25 voarohirohy tamin’izany no voasambotra rehefa avy nifandona tamin’ireo mpitandro ny filaminana, ny faran’ny herinandro teo.

Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny zandary tokoa mantsy, dia nisy ny angom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’olona am-polony maro any ho any, mitatitra rongony any amin’iny kaominina Zazafotsy iny. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro  ny filaminana tao an-toerana. Napetraka ihany koa ny sakana rehetra tetsy an-danin’izay tamin’iny làlam-pirenena fahafito iny, mizotra mihazo an’Ihosy iny. « Mbola nandeha tongotra lavitra moa vao tratra ireo mpibata rongony tany anaty akatan’Antanimbaribe, fokontany Bekinagna kaominina ambanivohitra Zazafotsy » hoy ny vaovao.

Zavatra hafa mihitsy anefa no niseho rehefa nifankatratra ny roa tonta, satria dia tifitra variraraka no nasetrin’iretsy mpitondra rongony an’ireo mpitandro ny filaminana. Voatery namaly bontana ihany koa araka izany ireo mpanenjika, ka nilavo lefona avy hatrany ireo nenjehina, namela ireo entany teo : rongony manodidina ny 30 gony. Nisy sasany tamin’ireto  olona ireto  no tafatsoaka ary mbola eo am-pikarohana izany ireo zandary. Na izany aza, am-polony maro no azo sambo-belona. Tamin’ny fanadihadiana ireto farany, hoy hatrany ny zandary no nahafantarana ny olona naniraka azy ireo sy tompon’ny entana mazava ho azy. Nidina avy hatrany sy natao sarika am-pandriana tany amin’iny distrika Ambalavalo iny ity olona ity, tao an-tokantranony tao Sandrakely, kaominina Andonaka. « Hatolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ihosy ny raharaha, ary hiroso amin’ny fandorana ireo zava-mahadomelina sarona».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici