- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nisesisy ny fanafihana mitam-basy, jiolahy roa tratra, polisy roa naratra

Toamasina : Nisesisy ny fanafihana mitam-basy, jiolahy roa tratra, polisy roa naratra

Ny zoma teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tamina PA teo Tanambao V. Ny voalohany dia nitranga tamin’ny 06ora maraina tao anatin’ny fisokafan’ny tranombarotra iny indrindra, ka lasa tamin’izany ny vola entina manodina ny varotra vao maraina. Nanao taingin-droa tamin’ny moto Scooter ireto andian-jiolahy roa nitondra basy. Tsy nanapoaka basy moa ireto jiolahy nandritra izany fa azony ny vola notadiaviny dia lasa izy roa lahy. Ny faharoa dia nitranga indray tamin’ny 12ora antoandro. Mpivarotra hody ka nosakanan’ny jiolahy roa nitondra basy PA teo am-bavahady ilay mpivarotra, ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vola 05 tapitrisa ariary teo. Niantso vonjy anefa ilay mpivarotra vao lasa ireto jiolahy ka ireo polisy manao fandaminam-pilaminana noho ny fihibohana no nanenjika azy ireo. nianjera tamin’ny moto nentiny ireto jiolahy, ka tratra ny iray niaraka tamin’ny basiny, ilay faharoa nitondra kosa afa-nitsoaka nandritra izany. Rah any fanazavana hatrany dia mpamerin-keloka ity jiolahy tratra niaraka tamin’ny basy nentiny ity, satria izy ity dia isan’ireo naman’ireo jiolahy nanafika ny vola 300 tapitrisa ariary ny kaominina karamany mpiasa tamin’ny fotoan’andron’ny PDS Toalina Razafindrabary. Efa nifonja izy tamin’izany ka ilay izy manao asa ivelan’ny fonja eny amin’ny fitsarana no hanararaotany manao izao asan-jiolahy izao indray ankehitriny. Ankoatra izany, dia nahitana fanafihan-jiolahy teny Mangarano ny alatsinainy tolakandro teo nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Emmo-Nat  sy ny Emmo-Reg teny amin’ny fokontany iny, indrindra ho fampanajana ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana. Jiolahy iray no voatifitra tamin’izany, ary polisy roa naratra izay voadaroka  basy ny lohan’ilay polisy iray raha voatifitra ilay jiolahy ny faharoa, saingy tsy maty. Afa-nitsoaka kosa ny naman’ity jiolahy ity nandritra ny sakoroka tao Mangarano ity. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo polisy roa naratra tamin’izao asan-jiolahy nifanenjehana  izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici