Niakatra teny anivon’ny fampanoavana omaly ireo olona 17 voarohirohy tao anatin’ny raharaha fanondranana olona mankany Arabie Saoudite. Ny telo tamin’ireo dia mpanera, raha tsy ampy taona kosa ny telo hafa ary nampangaina ho nanao taratasy hosoka, dia ny kara-panondro izany. ireo enina ireo no nidoboka am-ponja ary nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 11 ambiny. Hatreto aloha izany dia ny fampiasana hosoka no tena nanenjehana ireo voakasika. Heverina fa ho avy koa ny mahakasika ny fanondranana olona izay tena ambetin-draharaha.
D.R