Nolazaina fa marary saina ilay ramatoa be manodidina ny fitopolo taona ary atahorana sao hahavanon-doza. Izay no antony nametahana zioga azy ary dia tsy afaka manao na inona na inona amin’ny tanany intsony ny tenany. Omaly ihany dia efa niparitaka teny anivon’ny tambajotra sosialy ny sary ary niteraka resa-be. Tohina avokoa amin’ny ankapobeny ny olona raha nahita an’izany ary samy nilaza fa miverina ho amin’ny fanandevozana ny eto Madagasikara. Ireny fitaovana ireny tokoa mantsy dia efa tany amin’ny faha mpanjaka no nampiasaina tamin’ireo gadra, izay tena atahorana aza fa tsy ny rehetra. Dia niverina teto Madagasikara izany fanao efa tamin’ny taonjato izany ary tao Soanierana-Ivongo no tsikaritry ny olona. Ny zon’olombelona no voakasika voalohany amin’izao tranga izao. Na inona na inona mantsy mety ho helok’io ramatoa io dia tsy anjaran’ny olona ny mitsara azy ka maka fepetra izay mety hanaovana azy. Miverina mandeha any amin’ny fitsaram-bahoaka indray ny resaka eto. Toe-javatra izay toa lasa mahazo vahana eto amin’ny tany sy ny firenena kanefa tsy dia misy vahaolana firy raisin’ny tompon’andraikitra. Na farafaharatsiny aza ezaka fanentanana ny olona tsy hanao an’izany dia tsy mbola tena nisy. Mahatonga ny maro hametra-panontaniana hoe sao dia mba tokony hovaina amin’izany ny fisehon’ireny atrikasa sy fivoriana ambony latabatra ireny ka entina mivantana eny amin’ny vahoaka ary izy ireo no hatao mpisehatra mivantana fa tsy ny manam-pahefana sy ny solontena intsony. Efa halohalika ny ranom-bary raha ny momba ny fitsaram-bahoaka eto amintsika. Vao tsy voafafa akory ny akon’ny tany Antsampanimahazo tamin’ity herinandro ity dia efa nivoaka indray ity ramatoabe giazana amin’ny zioga ity. Manginy fotsiny ny tany Nosy-be izay mba voafafa tsikelikely ihany aza, raha tsy izany dia maty tanteraka ny fizahan-tany tao an-toerana. Mila mandresy lahatra ny tompon’andraikitra raha tsy izany dia ho lasa fanao eran’ny nosy ny fitsaram-bahoaka…
D.R