Lehilahy iray, 40 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao Toamasina ny zoma faha 22 may 2020 teo rehefa avy nanolana zazavavikely vao valo taona monja tao an-tranony.
Tao amin’ny fokontany Ankirihiry no nisehoan’ity trangam-panolanana ity. Mbola teo am-panolanana ilay zaza ity lehilahy ity no tra-tehaky ny vadiny. Ity farany izay niantso vonjy avy hatrany raha vao nahita ny habibiana nataon’ny vadiny. Nikoropaka ny iray tanana raha nahare izany antso vonjy izany ka dia nisambotra ilay lehilahy avy hatrany. Marihina moa fa zanaky ny mpiray vodirindrina aminy ihany izao naolany izao. Taorian’izay dia nametraka fitoriana avy hatrany ny ray aman-drenin’ilay zaza ka tonga teny an-toerana ny polisy naka ity olona ity ary nitondra azy hatao fanadihadiana eny amin’ny kaomisaria. Nandritra izany dia niaiky ny heloka vitany izy. Soa fa tsy niharan’ny fitsaram-bahoaka akory izy. Natolotra ny fampanoavana ny talata faha-26 may 2020 ny raharaha, ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy izy.
T.M.