Lehilahy iray 29 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Commissariat Alasora ny 25 may 2020 lasa teo teny amin’ny faritra Alasora ihany, noho ny halatra miharo vaky trano. Ny alin’ny 21 may 2020 lasa teo dia nisy namaky ny trano fandraisam-bahiny iray teny amin’ny faritra Alasora iny. Very tamin’izany ny entan’ireo olona nandalo sy nivahiny tao amin’ilay hotely. Manoloana izany dia nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ilay tompon’ny hôtely. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny polisy ka fantatra fa lehilahy iray mpiasa ao ihany no tompon’antoka tamin’izany. Nosamborina avy hatrany ity farany izay noraisim-potsiny teo an-toerana. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa intelo namaky sy nangalatra entana tao amin’ilay hotely ity lehilahy ity. Tsotra ny fanaovany izany. Rehefa miditra any anaty trano fidiovana ireo mpivahiny dia manararaotra mitsaitsaika miditta ny efitra ny tenany ka mifaoka izay hitan’ny masony eo na poketra na entana. Natolotra ny Fampanoavana ny talata 26 may 2020 ity lehilahy ity ary ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
T.M.