Vary efa simba sady lo vokatry ny hamandoana tao anaty sambo no nodorana teo imasom-bahoaka ny alatsinainy teo tao Andadoany any Fort dauphin. Maherin’ny roanjato gony amina 50 kilao avy ireto vary ireto. Noho ny fahatsapan’ny mpandraharaha iray voalaza fa maro ireo entana simba tsy azo omena ny mpanjifa intsony. Vokatry ny fanentanana nataon’ny tao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny varotra, nanao fanambarana avy hatrany tany amin’ny Ingahy Dilimizony Aymar tale-paritra. Nojerena hoy izy hita fa tsy azo amidy intsony ny entana ary dia izao nodorana izao. Ohatra tsara ny nataon’ilay mpandrahara ara-toekarena iray ity noho ny fahatsapana fa tsy tokony hamidy na haparitaka eny amin’ny mpanjifa ireo entana efa simba. Niainga tamin’ny fampahafantarana ny lalana mifehy ny mpivarotra sy ny mpanjifa no nahatonga izany. Ny fitaizana sy fampahafanatrana izay tokony hatao, indrindra ny lalana mifehy ny varotra mbola mitohy hatrany, alohan’ny hampiharana ny sazy. Mahakasika ny opération balansy kosa indray mbola mitohy ny fandraofana azy ireny miala eny amin’ny mpivarotra .
Rom Farady