- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTrano may tao Tsaramasay : Veloma farany ho azy telo mirahavavy

Trano may tao Tsaramasay : Veloma farany ho azy telo mirahavavy

Nanjombona ny andro omaly. Ary dia nanjombona torak’izany ihany ny endrik’ireo olona tonga maro nanotrona ny fianakaviana, ho amin’ny veloma farany natao ho an’izy telo mirahavavy, nandao tampoka ity tany ity, ny talata sy ny alarobia lasa teo. Tsy misy tsy nitsetra an’ity renim-pianakiaviana mahantra, nilaozan’ireto sombianiana tao anatin’ny indray mipy maso monja. Raha tsiahivina kely tokoa, ny talata 08 Jolay lasa teo, nisehoana hain-trano mahatsiravina, tetsy Tsaramasay, vokatry ny afon-dabozia. Tsy tao an-trano ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nisian’ny loza fa namonjy fivoariam-bavaka. Namela azy telo vavy zanany ho kilalaon’ny afo tao an-trano. Fahamaizana ambony indrindra (3é dégré) no niantraika tamin’izy telo ireto ary saika nanenika ny 80 isan-jaton’ny vatany ny fahavoazana. Teny amin’ny hôpitaly no tsy tana intsony ny ain’izy mirahavavy zokiny, raha ny ampitson’iny, ny alarobia tokony tamin’ny 11 ora antoandro no nandao ity tany fandalovana ity ny zandrin’izy ireo faravavy. Notanterahina omaly, tetsy Ankazomanga, ny fandefasana ny vata-mangatsiakan’i Juliana 18 taona, Victoria 16 taona ary Edelaid, vao 9 taona monja, hody any amin’ny fasan-drainy, nihazo iny lalam-pirenena faha-7 iny. Nahavory olona tokoa ka somary niteraka fitohanan’ny fifamoivozana, tamin’iny lalam-pirenena faha-4, nanomboka hatrany Analakely, nihazo an’Ambohimanarina iny. Saingy tsy nampaninona ireo mpindrana an’iny lalana iny, niara-niombon’alahelo tamin’izy ireo izany. Tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro no niala teny an-toerana ireo fiara nitondra ny tranovorona nitondra azy ireo. Mbola mirary fiononana feno sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana manontolo.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser