“Miala ny filohan’ny oniversite tsy miraharaha anay mpianatra, aloavy ny vatsim-pianaranay 5 volana”; “Mosary izahay, omeo Tosika fameno, vary 50kg isaky ny mpianatra, vatsy tsinjo, CVO, gel hydroalcoolique”; “miala ny minisitra mpanavakavaka, mosary izahay”, ireo no santionany tamin’ireo sorabaventy narantin’ireo mpianatra tao Barikadimy nitokona nivoaka ny fefin’ny teo anoloan’ny oniversite omaly maraina. Nomarihan’ireo mpianatra, fa tao anatin’izay roa volana sy tapany nisian’ny fihibohana sy hamehana ara-pahasalamana izay, dia indray mandeha ihany ireo mpianatra tao Barikadimy no mba nahazo fanampiana, nefa nambaran’izy ireo fa efa inenina izao no nahazo fanampiana ireo mpianatra naman’izy ireo teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Noho io olona io no ilazan’ireo mpianatra, fa tsy Antananarivo irery no Madagasikara, ka tokony mba hojerena sy atao mitovy. Notakian’ireto mpianatra ihany koa ny vatsim-pianarany 5 volana efa tamin’ny taom-pianarana lasa iny izay mbola tsy voaloa.
Malala Didier