- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikan-javamahadomelina : Rongony valo taonina mahery saron’ny zandary

Trafikan-javamahadomelina : Rongony valo taonina mahery saron’ny zandary

An-tapitrisany maro dia maro indray no very ho an’ireo mpanao trafikan-drongony ! Saha fambolena rongony manodidina ny 50Ha eo indray mantsy no saron’ny zandary tao amin’iny distrikan’Ambilobe iny.

Tao amin’ny toerana vitsivitsy toa an’Andohanifasibe, Andranomora, ary Andohanifasy, samy ao amin’ny fokontany Ambanikibo, kaominina ambanivohitra Anaborano. Marihana, hoy ny vaovao, fa any amin’ny tapany avaratra ary anaty ala mikitroka no nisy azy io. Rongony manodidina ny roa arivo sy fito alina fototra teo no hita tamin’izany ary samy efa nopotehina avokoa. Ambon’izany dia mbola nahitàna rongony maina milanja eo amin’ny iray taonina sy sasany teo, ary voan-drongony 200 kilao, tratra tao an-toerana.

Araka ny fampitam-baovao azo dia nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana nanomboka ny 24 mey lasa teo no nahazoana izao vokatra izao. Tetsy andanin’izay ny fahazoam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo nanoro ny toerana ka nahafahan’ireo zandary nanao ny fanadihadiana rehetra. « Raha atotaly ireo zavamahadomelina sarona (maitso, maina, voany) dia nahatratra 8 taonina teo ho eo », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Rehefa nahazoana alalàna avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa tany an-toerana moa dia niroso tamin’ny famotehana izany fanetriben’ny firenena izany ireo mpitandro filaminana. Fantatra kosa fa efa mandeha ny fikarohana izay olona mety ho tompon’ireto « entana » ireto.  «Araka ny loharanom-baovao dia olona mpivahiny avy any amin’ny faritra Sava no tompon’ireo voly midadasika be ireo, saingy tsy tratra teny an-toerana ». Nilaza anefa ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto fa « tsy maintsy ho tratra io olona io, na ho ela na ho haingana ».

Fa mahakasika izay resaka trafikan-drongony izay ihany fa teto an-drenivohitra indray. Fantatra ihany koa mantsy fa nisy mpivarotra sy mpamatsy rongony rain-dahiny voasambotra tao Alasora tao ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Rongony efa ao anaty fonosana maromaro no tratra teny amin’ity farany, niaraka tamin’ny vola nisinisy ihany. Efa natolotra ny Fampanoavana moa io olon-dratsy io ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici