Ny 26 mey teo izy no saron’ny zandary teo Ampiaviana nandritra ny fisavàna tampoka natao. Tsy dia noeritreretiny loatra izany satria ny fiara mpitondra marary dia tsy iharan’ny fisavàna. Rehefa natao tokoa ny fijerena ny tao anatin’ny fiara dia hita fa nitatitra olona salama ilay ambulance. Teo ihany dia nogiazana ny fiara ary nanokafana fanadihadiana ireo olona. Fantatra fa natolotra ny fampanoavana misahana ny ady amin’ny kolikoly ilay mpamily ary fanamparam-pahefana, kolikoly no isan’ny vesatra anenjehana azy. Izany dia ankoatra ny fandikana ny didim-pitondrana mifanandrify amin’ny hamehana ara-pahasalamàna. Nidoboka am-ponja eny Antanimora ny olona voakasika ary amin’ny 16 jiona ny daty voatondro hitsaràna ny raharaha. Tsikaritra fa tena nanamafy tokoa ny fivezivezena amin’ny lalam-pirenena fahefatra ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra izany. Ny asabotsy hariva teo dia tsy namelàna koa ny fiaran’ny solombavambahoaka iray nizotra ho any Antsirabe raha tsy nosavaina tanteraka ny taratasy manamarina ny fahazoan-dàlana momba izany. Tsy navelan’ireo mpitandro ny filaminana nanohy ny làlany ny depiote raha tsy nanala ireo olona nentiny, kanefa tsy tao anaty taratasy fahazoan-dàlana ny anarany. Najanona teo an-toerana ireo olona vao afaka nanohy ny diany ilay olomboafidy. Hentitra ny eny amin’ny lalam-pirenena fa mila hamafisina koa ny fisafoana ireo olona mitsoaka ny barazin’izy ireo ka mandeha any anaty ala sy tanety any.
D.R