- Publicité -
lundi, juin 2, 2025
AccueilFaits-DiversFandriana : Faty olona nihosin-drà, hita teo an-tsena

Fandriana : Faty olona nihosin-drà, hita teo an-tsena

Ny alahady 31 mey 2020 vao maraina be dia nahitana fatin’olona mihosin-dra tao an-tsena Ambatonandriana  Fandriana. Teo akaikin’ny Tranobe. Avy hatrany dia tonga teo an-toerana ny Ben’ny Tanànan’i Fandriana, ny mpitandro ny filaminana, ny dokotera mpitsabo. Araka ny fijerena nataon’ny mpitsabo dia fahaverezan-dra be lôtra vokatry ny tsatoka zava-maranitra teo amin’ny vatany no nahafaty ity tovolahy ity, izay mponina eo amin’ny fokontany Ambohidralamanga. Tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana dia nisy ihany koa ny fahavakisana toeram-pivarotana miisa 2 ny alin’io ihany. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana manoloana izao toe-javatra izao ary ny razana kosa dia efa noraisin’ny fianakaviana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici