Nifanjevo tanteraka ary naharitra adim-pamantaranandro iray ny fifanjevoana. Hiaka sy poa-basy izay nifamaly no niainan’ny olona, ny alin’ny talata teo. Vao nanomboka ny volana, dia efa ny dahalo no nanjaka tao amin’ny tanànan’Ambovombe-Androy. Manodidina ny 80 lahy izy ireo no nigadona tao raha ny tomban’ny olona, ary avy hatrany dia nanapoaka basy nandemy ny sain’ny olona. Noteteziny ny mpivarotra lehibe tao an-toerana ; izay miisa telo. Sahirana ireo jiolahy tamin’ny famakiana ny varavaram-by ary vao mainka koa nanapoaka basy noho ny hatezerana. Tao anatin’izany no nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana. Tao koa anefa ny nanapa-kevitra ny nanavotra ny havany ary nanao vy very ny ainy. Toy ny rangahy iray izay ny rahalahiny no isan’ny taraiky tao an-trano izay notafihana. Nentin’itsy voalohany ny fiara ary nohitsiny ireo dahalo marobe izay voatery nikisaka no sady nitifitra. Nahomby izany, satria nitarika ny fialàn’ireo olon-dratsy teo amin’ilay toerana. Ankoatr’izay dia sady nitifitra koa ny mponina izay nanana basy, toy ireny anaty horonan-tsarimihetsika ireny mihitsy ny zava-nitranga tao anatin’ny haizim-be ny alin’ny talata. Niaro ny fananany ny olona no sady niaro ny ainy koa. Ny niafarany, dia niala ireo dahalo izay tsy nahazo na inona na inona. Raha ny filazan’ny mponina, dia efa vita mihitsy ny fanafihana sy savorovoro vao tonga ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Manaitra arak’izany ny sain’ny manam-pahefana ireo olona, satria miady aman’aina tanteraka ary mitady hanjaka tokana ny dahalo.
D.R