- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversIsoanala-Betroka : Nifandona ny miaramila sy ny dahalo, omby halatra 71 tafaverina...

Isoanala-Betroka : Nifandona ny miaramila sy ny dahalo, omby halatra 71 tafaverina amin’ny tompony

Nahitana vokatra hatrany ny ezaka ataon’ireo miaramila amin’ny ady amin’ny asan-dahalo any amin’iny fariitra atsimo iny. Voaporofo indray izany omaly raha nisy trangana fanafihan-dahalo nangalatromby miisa 71 tao amin’ny fokontany Tanambao kaominina ambanivohitra Isoanala distrika Betroka faritra Anôsy. Raha vao nahazo fanairana ireo Zandary efa vonona tao Isoanala dia nanaradia avy hatrany niaraka tamin’ny Sakelika Voalohany USAD na ny « Unité spéciale Anti-dahalo ». Nohon’ny fahakingana ananan’ireo zandary dia tsy lasa lavitra akory ireo dahalo ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny manodidina ny fokontany iray antsoina hoe Sakoamasy. Tsy natohitra ireo mpitandro filaminana ireo dahalo ka vaky nandositra ary navelany ireo omby vao avy norobainy. Tsy nisy ny aina nafoy ary tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo omby.

Nahomby izany fanarahan-dia izany noho ny fahakingan’ireo fokonolona izay nampandre haingana ireo zandary tao Isoanala. Fihetsika izay isaorana manokana, hoy ireo tompon’andraikitra rehetra any an-toerana. Mbola atao hazalambo any anaty kirihitrala any ireo dahalo amin’izao fotoana anoratana izao.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici