- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Nosamborina ny mpanao taratasim-piara hosoka

Cybercriminalité : Nosamborina ny mpanao taratasim-piara hosoka

Nidoboka am-ponja avokoa.

Omaly ireo olona telo no natolotra ny fitsaràna. Nanomboka tamin’ity vaninandro fihibohana noho ny fepetra ara-pahasalamana ity no nitatra ny sain’ireo olona ary nanao tolotra tamin’ny tambajotra sosialy fa mahavita mikarakara taratasim-piara izay mivoaka avy eo amin’ny sampan-draharaham-panjakana miandraikitra an’izany. Hitan’ny « Centre Immatriculateur » izany ary nisy ny fitoriana napetraky ny lehiben’io sampana io. Natao ary ny fomba  rehetra hahafantarana ireo olona ary dia

Ny mahasamihafa ireo taratasy tena izy sy hosoka.

voasambotra ireo olona telo. « Nandritra ny fisavàna trano teny Ambohitrakely no nahitana ireo taratasy misy fitombokase hosoka miaraka amin’ny antontan-taratasy marobe an’ireo olona izay liana tamin’ilay tolotra », raha araka ny tatitry ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka atao amin’ny tranokalam-pifandraisana. Nidoboka am-ponja eny Antanimora avokoa ireo olona telo rehefa nandalo tao amin’ny fampanoavana omaly.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici