Nitrangan’ny lozam-piarakodia mahatsiravina indray ny lalam-pirenena faha-2 ny alakamisy maraina teo. Fiarabe mpitatitra solika avy any Toamsina hankaty Antananarivo no niala tampoka ny lalana ka nirifatra sy nandona trano maromaro teo amoron-dalana tao Antsatsaka, fokontany Tsiazompody, kaominina Ampasipotsy Gara ; distrikan’i Moramanga. Vokany, Ramatoa iray 39 taona sy ankizikely roa 16 sy 17 taona no maty tsy tra-drano tamin ‘izany. Tamin’ny 10 ora maraina no nitranga ny loza. Araka ny fantatra dia tratran’ny torimaso ilay mpamily ity fiara ity ka tsy nahafehy ny familiany ka niala ny lalana ilay fiarabe ary namantana tamin’ny trano roa nilahatra teo amoron’ny arabe ao anaty fiholahana. Olona teo amin’ireo trano voahosy ireo ireto maty ireto. Olona telo hafa ihany koa naratra mafy ka nalefa haingana ao amin’ny hopitalin’i Moramanga. Voalaza ihany koa fa potika voahosin’ilay kamiao ihany koa ny moton’ireo olona niharam-boina ireo. Araka ny angom-baovao dia haterina any Antanifotsy Faratsiho ny razan’ireo namoy ny ainy.
T.M.