- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Roa lahy mpangalatra lavanila manta, nampidirina am-ponja

Maroantsetra : Roa lahy mpangalatra lavanila manta, nampidirina am-ponja

Tsy mbola ahitana fanafana mihitsy aloha hatreto ity resaka halatra lavanila manta ity, na dia eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ireo faritra mpamboly ity vokatra fanondrana iray ity. Lehilahy  mpanao izany asa ratsy izany indray no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Maroantsetra, tao amin’ny fonkontany Varongohitra kaominina an-tampontanana Maroantsetra, ny herinandro lasa teo. Ny voalohany dia lehilahy iray izay efa voarohirohy amin’ny halatra lavanily nandeha « taxi-moto » no tra-tehaka teo amin’ny  « barrage de sécurité » ny alarobia 03 jiona. Mbola nahitana lavanila milanja enina kilao tany aminy nandritra ny fisavana natao azy. Nentina namonjy ny birao avy hatrany ity lehilahy ity nofotorana. Ny faharoa kosa, dia voasambotra ny alakamisy 4 jona tokony tamin’ny 4 ora maraina noho ny fitarainana tonga teo amin’ny polisy, mikasika fisiana halatra tao amin’ny fonkontany Varongohidy, Maroantsetra. Nidina nanao fisafohana teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nony vao naharay izany ka tra-tehaka tao amin’io toerana io tokoa ny lehilahy iray miaraka amin’ny lavanila milanja roan-jato grama (200 gr). Rehefa avy natao fanadihadiana izy roa lahy ireo, dia natolotra ny fitsarana ka naiditra am-ponja tao Maroantsetra.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici