- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Centre Immatriculateur de Madagascar » : Hiverina hisokatra avokoa, ankoatra ny...

« Centre Immatriculateur de Madagascar » : Hiverina hisokatra avokoa, ankoatra ny any Toamasina

Araka ny fepetra noraisin’ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana dia fantatra fa hiverina hisokatra avokoa ireo Ivontoerana mahakasika ny laharam-pamantaran’ny fiara, na ny « Centre Immatriculateur » dimy maneran’ny Nosy, ankoatra ny any Toamasina. Hatomboka rahampitso, alarobia 10 jona izany. Marihana anefa fa fiasàna tapak’andro fotsiny ihany no atao, na ilay hoe « service minimum ».

Raha ny mikasika ny eto Antananarivo manokana dia hisokatra amin’ny valo ora sy sasany ka hatramin’ny iraika ambin’ny folo ora sy sasany ireo ivontoerana roa, ny etsy Ambohidahy sy ny eny amin’ny « Galery Alhambra » Ankadimbahoaka. Marihana anefa, hoy hatrany ny fampahafantarana azo, fa amin’izay maha- « service minimum » izay dia fizaràna ireo « permis » sy « carte grise » ho an’ireo izay efa nahatonga antontan-taratasy tany amin’izy ireo ihany, ny fikirakirana ny antontan-taratasin’ny fiara mahakasika ny resaka antoka (« nantissement ») ary ny mahakasika ireo « carte violettes », ireo ihany no atao eny an-toerana. Ireto roa farany dia eny Ambohidahy : ny « nantissement » dia ny alatsinainy, alarobia ary ny zoma. Ny talata sy alakamisy kosa dia natokana ho an’ny resaka « carte violette ».

Ny fizaràna ny « permis » sy « carte grise » kosa dia eny amin’ny CIM Ankadimbahoaka irery ihany ka ny alatsinainy, alarobia sy zoma ho an’ny « carte grise » ary talata sy alakamisy no ho an’ny « permis ». Hisy, hoy ny fanazàvana azo, ny famoahana ny lisitr’ireo olona tompon’izany, izay ho hita eny an-toerana sy eny Ambohidahy ary ao amin’ny pejy Facebook –n’ity sampan-draharaha ity, herinandro mialoha, hahafahan’ireo olona miomana.

Araka izay dia tsy mbola hisy mihitsy aloha izany ny fandraisana antontan-taratasy vaovao, na ho an’ireo hanao na hanolo « permis » sy « carte grise ». Ankoatra izay, ho fanajàna ireo fepetra rehetra takiana amin’ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 dia noferana ho olona 50 ihany no raisina isan’andro, ary tsy maintsy mitondra « masque » ireo olona hanan-draharaha ao. Hajaina ihany koa ny elanelana iray metatra fara-fahakeliny ary hisy fizahana hafanana eny am-baravarana, raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici