- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Mbola nisy 4x4 very indray

Tanà : Mbola nisy 4×4 very indray

Ity indray mitoraka ity dia mbola fiara tsy mataho-dàlana hatrany fa kosa mitondra ny marika koreana Rexton indray. Io no nisy nanao lasibatra ary lasan’ny olon-dratsy izay mbola karohina nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy nifanalavitra loatra tamin’ny fahaverezan’ilay 4×4 Toyota Land Cruiser V8 tetsy Anosy, ny tsy nahitana ity fiara voalohany ity. Izany dia mahatonga ny eritreritra ho lasa, fa misy tambajotra mpangalatra fiara tsy mataho-dàlana izany eto An-drenivohitra. Ireo fiara roa izay nanjavona ireo raha araka ny mombamomba azy ; izay hita amin’ny tranonkala dia efa samy misy « puce » ny fanalahidiny. Tsy ho  velona mihitsy raha tsy ny fanalahidiny manokana no mamelona azy, ankoatra ny lakile faharoa izay ny tompony ihany no manana azy. Izany hoe zavatra roa no azo vinavinaina amin’ity halatra 4×4 avo lenta ity. Na izany nisy nanana ny fanalahidy faharoa na misy olona izay izay tokony hampitolagaga ny fahaizany. Aleo aza mieritreritra ny voalohany, satria raha io petra-kevitra faharoa io mantsy no mitombina dia azo eritreretina fa izay fiara tian’ilay olona dia ho azony avokoa. Any ivelany no misy tambajotra  havanana amin’ny halatra fiara avo lenta io, fa na izany aza dia tsy betsaka izy ireo ary tena injeniera avo lenta amin’ny informatika, manam-pahaizana amin’ny « programmation » no mpirotsaka an-tsehatra. Ireo fiara avo lenta izay nangalarina, matetika dia tsy ajanona ao amin’ilay tanàna, fa haondrana maika any amin’ny firenen-kafa kosa, malaza amin’izany ny antsika nisy fotoana. Izay koa aza no nampisy ny fiara izay mbola anaty dokam-barotra anaty fahitalavitra kanefa efa nisy nivezivezy teto amintsika. Efa tambajotra iraisam-pirenena no ao ambadika ary fotoana vitsy aorian’ny halatra, dia efa any anaty sambo ny fiara ary mizotra any amin’ny firenen-kafa izay tsy misy olana intsony ny fampiasana azy ary tsy hisy marika intsony hoe nangalarina. Efa fantatra ny fisian’izany, fa ankehitriny kosa dia manaitra ny saina ny momba ireo 4×4 avo lenta very teto an-dRenivohitra. Tonga eto koa ve ilay fahaizana manokan amin’ny ratsy?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici