- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Halatr’ omby, olona 5 voasambotra

Antanifotsy : Halatr’ omby, olona 5 voasambotra

Nisehoana halatr’omby tany Antanifotsy ny zoma lasa teo. Avy hatrany dia nampandre ny pôlisy tany an-toerana ny tompony. Tsy niandry fa natao ny fanenjehana ny mpangalatra niaraka tamin’ny fokonolona. Io alina io ihany dia tratra ny lehilahy iray ary tsy afaka nandà. Tezitra ny olona ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teo ilay izy. Teo anatrehan’ny fanazavan’ny mpitandro filaminana anefa, dia nitony ihany ireo vahoaka. Rehefa natao ny fanadihadiana an’ilay voasambotra dia nanoro ny namany izy. Amin’izao fotoana izao dia dimy ny isan’ireo voasambotra. Samy avy ao Antanifotsy avokoa izy ireo. Anio no hatolotra ny fitsarana ireto mpangalatra ireto. Efa naverina amin’ny tompony kosa ny omby.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser