Mitatitra vokatra mba hamatsiana an’Antananrivo sy ny manodidina. Izay no antony nahafahan’ilay fiara lehibe nivezivezy teny amin’ny lalam-pirenena. Rehefa natao anefa ny fisavàna teo amin’ny barazin’ny polisy tetsy Imerintsiatosika dia hita fa nisy olona marobe tao anatiny. Miisa 11 izy ireo ary nafenina tao anatin’ilay kamiao. Saika hiakatra an-tsokosoko aty an-drenivohitra izy ireo, raha araka ny fanamarihan’ny polisy. Avy hatrany dia nogiazana ny fiara ary nentina teny amin’ny biraon’ny polisy ireo olona. Voamarika koa fa nampidirina « fourrière » ilay kamiao. Ny azo andikana ny tranga toy itony dia ny fitadiavan’ny olona ny fomba rehetra mba hahafahana na mody na mivoaka ny fihibohana. Tao ny nampiasa ny fiara fitaterana marary izay nohararaotina satria tsy voasakana, tao koa ny nandeha an-tongotra any anaty ala, tao koa ny mandeha taxi-moto eo amin’ny faritra izay aorian’ny barazy ara-pahasalamana. Nisy mihitsy aza ny nanofa fiaramanidina manokana. Efa nisy avokoa izany tranga izany raha vao nanomboka ny fihibohana ary indrindra koa rehefa nisy ny fanapahan-kevitra fa tsy misy mahazo mamoaka alàlana manokana intsony ny manam-pahefana mifanandrify amin’izany. Mizara hatrany ny hevitra momba ny zava-misy ankehitriny. Ao ny mahita fa tokony hojerena ihany ireo izay tena tokony hody kanefa tavela any an-tanin’olona. Sady sahirana mantsy kanefa tsy afa-mihetsika. Misy koa anefa ny mahita fa rehefa izay aloha ny fepetra noraisina mba hiadivana amin’ny valan’aretina dia tokony mba hajaina. Ankoatra izay dia mbola hita soritra amin’ny zava-misy hatrany ny fanjakan’ny kolikoly na dia efa hentitra aza ny fepetra noraisina. Mbola mahita izay fikafika kely hatrany ny olona hahafahana mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena, ary na efa nisy aza ny tompon’andraikitra nidoboka am-ponja noho izany. Misy tokony hodinihina ihany manoloana ny zava-misy tato ho ato, satria matoa koa ny olona sahy manao vy very ny ainy tsy manara-dalàna dia mety efa tratran’ny tsy azo anoharana izay.
D.R