Basy karazany AKM iray na irony fantatry ny maro amin’ny hoe « kalach » irony niaraka tamina basy lava iray, « cartouche » niaraka tamin’ny bala enina no hita tao amin’ny valin-drihan’ny biraon’ny Paositra Malagasy tetsy Analakely ny talata lasa teo.
Nandray an-tanana ny fanadihadiana moa, raha ny vaovao voangona, ny avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritry ny zandariamam-pirenena misahana an’Antananarivo Renivohitra. Tsy nety nahazoam-baovao mahakasika izany anefa ireo tompon’ny famotorana fa hoe mbola tanana ho tsiambaratelo aloha angaha ny zava-nisy. Na izany aza dia niaiky ny tompon’andraikitra fa « nisy tokoa ilay tranga». « Saingy tsy afaka manome fanazavàna aloha izahay fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka », hoy ny Kaomandin’ity Vondron-tobim-paritra ity.
Ny angom-baovao azo tetsy sy teroa dia nahafantarana fa nisy fanarenana natao tao amin’ity tranoben’ny Paositra etsy Analakely ity ary nandritra izany no nahitàna ireo fitaovam-piadiana. Ireo mpiasa nanao izay no toa hoe nahatsikaritra ity gony tsara fono sy tsara afina tao amin’ny valin-drihana ity. Akory ny hatarain’izy ireo rehefa nahita fa fitaovam-piadiana no tao anatin’izany. Taorian’izay no nampilaza avy hatrany ireo tompon’andraikitra ireto mpiasa ireto ary ireto farany no nampilaza ny mpitandro filaminana. Rehefa natao ny fisavàna ilay gony dia hita tao ireo karazam-basy roa ireo. « Kalach » niaraka tamina « cartouche » sy bala 7.62mm miisa enina ary ilay basy lava vava toy ny basim-borona.
An’iza ary saika hatao inona araka izany ireto fitaovam-piadiana vonon-kampiasaina, natao tsara afina tanaty birao misy sampan-draharaham-panjakana ireto ? Fantatra fa nogiazana avy hatrany ireto fitaovam-piadiana ireto ary efa eo an-dalam-panadihadiana sy an-dalam-pikarohana izay mety ho tompony ireo mpitandro filaminana. Heverina araka izany fa rehefa hivaly izay vao vonona hanome fanazavàna misimisy mahakasika ity tranga ity, ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L