Nahatratra toaka gasy 12 bidao na 260 litatra, ny pôlisin’ny boriborintany fahefatra, rehefa nanao fisafoana vao maraina ny asabotsy 12 jolay 2014 tokony tamin’ny 9 ora teny amin’ny Tetezan-dRamala eny Isotry. Nafangaro tamin’ny saribao izy ireo, ka teo am-pamoahana azy no tratehaky ny pôlisy ireo toaka gasy. Mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana izay niavian’ireto toaka gasy ireto sy ny tompony ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Articles qui pourraient vous intéresser