Tamin’ny zoma teo, efa alina tamin’izay no tonga nanafika mpivarotra tany Firavahana any Miarinarivo ny jiolahy sy jiovavy fito nitondra basy mahery vaika. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola 1 tapitrisa ariary, ny firavaka volemana sy volafotsy ary ny entana tsaratsara rehetra. Raha vao nahazo izany ry zalahy dia lasa nandeha. Ny loharanam-baovao no nahalalana fa raha vao tonga teo amin’ny tanàna ireo mpandroba dia nanapoaka basy. Izany dia ny hamefena ny mponina tsy hivoaka ny trano. Rehefa izany, niditra amboletra tao amin’ilay fivarotana izy ireo. Voaambana basy ny rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika. Nalainy tamin’izay ny vola sy firavaka. Efa lasa elaela izy ireo vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo niharan’ny fanafihana. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.