Fantantra ankehitriny, fa namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana indray ilay mpamily nahavanon-doza ; izay voalaza fa efa nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika rehefa natolotra ny Fampanoavana. Fanapahan-kevitra izay nampitaraina ireo fianakavian’ny maty ka nahatonga azy ireo nangatana fanohanana teo anatrehan’ny Fitsarana. Tsy vitan’izay, fa nitondra fitarainana teo anivon’ireo manam-pahefana isan’ambaratongany; izay heverin’izy ireo fa mahefa amin’ity raharaha ity ihany koa izy ireo tao aorian’ny hetsika izay nataon’izy ireo, teo anoloan’ny Fitsarana Anosy ny fiandohan’ity herinandro ity. Manoloana izao fiovan-kevitry ny Fitsarana izao, dia naneho ny fankasitrahany ireo mpitondra isan’ambaratongany nihaino izany fitarainan’izy ireo izany ny finakaviana raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, omaly maraina. Nisaorany manokana tamin’izany ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra izay nolazain’izy ireo, fa nandefasan’izy ireo taratasy tany aminy. Toy izany koa ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, tamin’ny nandraisany ny solontenan’ny Fianakaviana taorian’ilay hetsika teo anoloan’ny lapan’ny Fitsarana. Milaza moa izy ireo, fa matoky tanteraka ny fitsarana mba hitsara araka ny fahamarinana ity raharaha ity.
T.M.