Roa lahy tratra nangalatr’omby tao amin’ny fokontany Fenoarivo, ao amin’ny kaominina Trangahy, distrika Bekopaka no nifanehitra tamin’ny fokonolona. Velona ny fifampitifirana ka ny iray tamin’ireo dahalo no maty, raha tafatsoaka kosa ny iray.
Ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no nisehoan’ity tranga ity, araka ny tati-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena. Voalaza, fa ny marainan’io andro io, raha nanao fisafoana ny ombiny teny an-kijàna ireo tompon’omby no nahita dian’omby nivoaka ny faritra. Nampandre avy hatrany ny fokonolona teo an-toerana ireo farany. Raikitra teo ny fanarahan-dia. Ny hariva vao nifankatratra tao amin’ny toerana antsoina hoe Ankilidafiria, fokontany Beapinga ny roa tonta. Velona teo ny fifandonana ka io lavo tsy afa-manao ny asa ratsiny io intsony ny dahalo iray. Ilay namany kosa, tratry ny be noho ny vitsy ka naleony nanao tari-dositra nitsoaka. Azo teny am-pelan-tanan’ireo malaso ireto araka izany ny omby dimy nangalarin’izy ireo. Efa azo moa ireo omby ireo vao tonga tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao Bekopaka. « Nampahery hatrany ireo fokonolona amin’ny fahavitrihana amin’ny ady amin’ny tsi-fandriampahalemana » hoy ny vaovao. Taorian’ny fizahana ireo omby, dia samy natolotra ny tompony avy izy ireo.
m.L