- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tetsy Tsarasaotra : Nidoboka am-ponja ilay artista rehefa avy nitolo-bàtana

Lozam-pifamoivoizana tetsy Tsarasaotra : Nidoboka am-ponja ilay artista rehefa avy nitolo-bàtana

Ny voalohan’ny jiona teo no nitranga tetsy Tsarasaotra ny lozam-pifamoivoizana izay niteraka fahafatesana. Niteraka resa-be izany rehefa tsy notazomina am-ponja ilay mpamily ny fiara, io farany izay mpitendry gitara beso amin’ny tarika iray. Tsy nanaiky izany ny fianakavian’ny maty ary nanao fihetsiketsehana tetsy anoloan’ny fitsaràna. Nisy akony izany satria nivoaka tamin’ny fahanginany ny mpitsara ary nilaza fa haverina hodinihina ny raharaha. Dia nivoaka tokoa ny didy fampisamborana ilay artista ary nanomboka teo ny fikarohana azy. Tsy hita tany an-tranony araka ny adiresy voatondro izy tamin’ny 9 jiona teo raha araka ny fanamarihan’ny polisy. Omaly kosa dia tonga nitolo-bàtana teny amin’ny biraon’ny polisy etsy Tsaralalàna ilay lehilahy. « Avy hatrany dia naterina teny amin’ny fonjan’Antanimora » raha araka ny fanamarihan’ny polisy hatrany. Nizara hatrany ny hevitra tamin’ity raharaha ity. Isan’ny fanontaniana napetraky ny olona ny hoe rehefa mitranga ve ny lozam-pifamoivoizana izay nahafatesana olona dia tsy maintsy midoboka am-ponja ny mpamily ? Etsy andanin’izay koa, raha tsy nisy fihetsiketsehana nataon’ny fianakaviana mana-manjo ve dia tsy voadinika tsara ny dosie ? Marobe ny fanontaniana izay mipetraka sy azo apetraka amin’ny toe-javatra toa izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici