Hatairana ny an’ireo manodidina raha nahita fa nitokona ireo marary tao amin’ny Foyer Social Canada ny alahady tolakandro teo tamin’ny 04 ora tany ho any. Mitaky ny hijerena ny fahasalaman’ izy ireo ny fitakiany sy hizahana ny momba azy ihany koa, tsy misy mpizaha izy ireo ankehitriny raha ny fitarainana voaray. Efa andro maromaro hoy ireto marary ireto no tsy nisy mpijery izy ireo, hany ka maro ireo olona notsaboina tao no tsy tafavoaka na efa tokony hivoaka aza izy ireo. Ho an’ity ramatoa iray nitaraina dia nilaza izy fa hatreto dia tsy misy mpijery ny fahasalamany na efa tokony hivoaka aza ny tenany, nefa hatreto tsy nisy izany fa mbola voageja ao amin’ny Foyer Social Canada hatrany ny tenany. Tonga nihaino ny fitarainan’izy ireo teny amin’ny Foyer Social Canada ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, ny alahady tolakandro teo niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tamin’izany no nilazan’ireo marary taminy ny zava-manjo azy ireo hatramin’izay, izay tsy misy mpijery izay, satria tokony ho efa hivoaka izy ireo raha ny fantatra nefa miandry ny test farany vao afaka miditra amin’izany. Nambaran’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana nandritra izany, fa hojerena akaiky izany fitarainan’ireto marary izany mba hahalalana ny tena marina momba azy. Nandritra izany no nilazan’ireo marary ao amin’ny Foyer Social Canada fa efa ela loatra izy ireo no tao amin’ity ivontoerana ity, ara tokony ho efa nivoaka efa ela, fa ilay fanaovana ny test farany no tsy misy hatreto, dia tavela ao ny ankamaroan’ireo narary tsy nisy soritraretina notsaboina tao. Angatahan’izy ireo ny hanaovana izany haingana mba hahafahan’ireo sitrana mivoaka mamonjy ny ankohonany amin’izay, hoy ireto marary nilaza ny heviny.
Malala Didier