- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversNOSY BE : Mpanjono efa-dahy tsy hita popoka efa andro maro izao

NOSY BE : Mpanjono efa-dahy tsy hita popoka efa andro maro izao

Mbola tsy fantatra mihitsy izay mety ho niafaran’ireto mpanjono efa-dahy ireto hatrami’izao, raha niainga hiandriaka ny 29 mey lasa teo. Sambo kely telo, irony antsoin’ny olona any an-toerana hoe « la coque » irony, no niara-niainga tamin’io andro io. Nizotra nianavaratra izy ireo. Nony alina, nijanona ny iray, raha nanohy ny diany ihany kosa ny roa. Tany alohaloha tany, nisaraka ireo roa ambiny, ka ilay sambo iray antsoina hoe « Baleine 5 » nandeha niakandrefana.

Afaka dimy andro, niverina ireo « coque » anankiroa. Tsy hita kosa ny « Baleine 5 » nitondra azy efatra mirahalahy ireo.

Ny 9 jona teo vao nampandre ny APMF ireo fianakaviana. Natao ny fikarohana nandritra ny telo andro nisesy, saingy tsy nahitana na inona na inona. Nokarohina avokoa ireo faritra izay mety hitodihan’izy ireo toy ny tao amin’ny Nosy Iranja, Mitsio, fari-dranomasin’Antsiranana ka hatrany amin’ny faritra mampisaraka an’i Madagasikara sy Mayotte. Tsy nahitam-bokany anefa izany, fa dia niveri-maina fotsiny ireo mpiandriaka.

Velom-panahiana mafy noho izany ireo fianakavian’izy efa-dahy ireto. Miahiahy izy ireo, fa sao

mety ho notafihan’ireo jiolahin-tsambo somalianina ireo havany. Vao tsy ela mantsy, nisy trano fandraisam-bahiny miorina amoron-dranomasina norobain’ireo olon-dratsy mitam-basy ireo tany amin’ny faritra Diana iny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici