Omaly maraina nanomboka tamin’ny 09ora omaly, dia nisafidy ireo mpitandro ny filaminana teto Toamasina, nizara fanomezana toy ny “cache bouche” sy savony ary rano teny anivon’ny fokontany notsongaina manokana. Isan’izany ny tao: Cité Marabout – Canada – Ambolomadinika Sekrima – Andranomadio 11/43 – Analamalotra – ary ny tany Ivoloina. Ireo mpitandro ny filaminana mitambatra eto Toamasina, miaramila – zandary – ary polisy, no nanao izany omaly notarihan’ny zandary. Tamin’izany no nilazan’ireto mpitandro ny filaminana ireto, fa “ho resintsika ity covid-19 ity raha mitohy ny fifanampiana sy ny fifanentanana ary ny fifanohanana toy izao”; “Iray isika ka tsy maintsy mifanampy amin’ny zava-manjo, satria tsy mpanasazy fotsiny izahay, fa afaka mifanampy tsara amin’ny vahoaka ihany koa”, hoy ireo mpitandro ny filaminana. Ny vahoaka notolorana fanomezana kosa nilaza fa “mankasitraka ny ataon’ny mpitandro ny filaminanana manao asa soa toy izao. Tsy herim-pamoretana fotsiny izy ireo, fa miaraka amin’ny fiarahamonina tanteraka amin’ny maha-olon’ny fiarahamonina azy ireo”. An-kilan’izany dia nambaran’ireo mpitandro ny filaminana ihany koa, fa iray ihany ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny samy maha-olon’ny fiarahamonina azy ireo; ka ho azy ireo dia mila hajaina ny fe-potoana amin’ny 03ora nolazain’ny filoham-pirenena amin’ny fodiana avy miasa. Araky ny nolazain’ny prefen’i Toamasina azy fa mihiboka avy ny olona manomboka amin’ny 04ora.
Malala Didier