- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Môtô natao taingin-telo nofaohin’ny fiara, olona iray maty

Imerintsiatosika : Môtô natao taingin-telo nofaohin’ny fiara, olona iray maty

Nandriaka indray rà tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Vehivavy iray manodidina ny 19 taona no maty tsy tra-drano rehefa nodonin’ny fiara ny môtô nitondra azy, teo amin’ny toerana antsoina hoe Fonenana, Imerintsiatosika, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nanao taingin-telo ity kodiaran-droa ity. Tetsy andanin’izay dia fantatra fa naratra mafy ireo olona roa hafa niaraka taminy, ary efa samy nalefa notsaboina avy.

Tokony ho tany ho any amin’ny efatra ora hariva tany no nitranga ny loza, araka ny loharanom-baovao azo avy teo anivon’ny mpitandro filaminana, teo amin’ny PK32+500. Avy any Imerintsiatosika handeha hiakatra ny renivohitra ity môtô mitondra ny marika « Kinlon » ity ary nitondra olona roa ankoatry ny mpamily azy : lehilahy roa ary vehivavy iray. Tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga, fa ny feo nidoboka mafy niampy feon-javatra potika no ren’ireo olona teny amin’ny manodidina ary ireo olona nentin’ilay kodiaran-droa nipitika lavitra. Potika tanteraka tao anatin’izany fianjerana izany ilay fitaovam-pitaterana nentin’izy ireo ary namonto iny araben’ny lalam-pirenena voalohany iny rà. Ny filazan’ny nanatri-maso sasany dia hoe nisy fiara iray, nandeha nizotra niakandrefana no nandona ity môtô ity. Tsy nijanona akory anefa io fiara io, fa vao mainka nanohy ny diany namela ireo tra-pahavoazana teo. Ireo olona teny amin’ny manodidina no niezaka niantso vonjy ary nanatona avy hatrany nijery ny zava-nisy : olona telo nitsirara teo amin’ny arabe.

Vehivavy iray no tena voa mafy indrindra noho ny fianjerana nahazo azy, ary  indrisy fa namoy ny ainy teny an-dàlana, hitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ireo roa lahy hafa kosa, naratra ary samy nentina tamina tobim-pahasalamana tsy lavitra teo avokoa sy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Marihana, fa samy monina any amin’iny faritra Imerintsiatosika avokoa izy ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa moa ny mpitandro filaminana nijery ifotony zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany mahakasika ity raharaha ity. Araka ny fantatra dia efa mandeha ny fikarohana ilay fiara nahavanon-doza, kanefa nitsoaka tamin’io andro io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici