Zazavavikely iray no niharan’ny filan-dratsina lehilahy iray 20 taona, tao Miarinarivo. Voalazan’ny loharanom-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena, fa tsy indray mandeha akory fa efa fanindroany no nampiharan’ity tovolahy ity herisetra ara-nofo io ankizivavy tsy manan-tsiny io. Ny zoma hariva lasa teo no voasambotra ity farany, rehefa nezahiana nokarohina tao Miarinarivo tao. Araka ny fanazavana azo mantsy dia ny renin’ilay ankizy no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny pôlisy tamin’io andron’ny zoma io. Vao 13 taona monja ilay zazavavy ary naolana tovolahy iray teo an-tanàna. Teo no ho eo ihany dia efa nandray an-tànana ny raharaha ireo mpitandro filaminana ary nanao fanadihadiana hikarohana io nahavanon-doza io. Tsy niandry ela fa ny hariva, taorian’ny nipetrahan’ny fitoriana dia voasambotra ingahirainy ary niaiky tanteraka ny heloka vitany, raha ny vaovao hatrany. « Mbola misy moa ny fitiliana ara-pahasalamana izay hatao amin’ ity zazavavy kely mialoha ny hanolorana ny raharaha any amin’ny fitsarana, ny talata 23 jiona ho avy izao » hoy hatrany ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena,
m.L