- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRn 7-Camp Robin : Mpandraharaha voatafika, voafira famaky sy very fananana

Rn 7-Camp Robin : Mpandraharaha voatafika, voafira famaky sy very fananana

Na dia manamorona ny lalam-pirenena fahafito no misy ny kaominina Camp Robin amin’ny distrika  Ambohimahasoa, faritra  Matsiatra Ambony,  dia manjaka ny asan-dahalo ka tsy mitsahatra ny mitarainana ny vahoaka mandady harona, lasibatra ny asa ratsy, toy ity trangam-piarahamonina niseho tao an-tampon’ny tanàna ny zoma 12 jiona lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina sy sasany monja tao amin’ny toerana antsoina hoe “Nanahary”, ka mpandraharaha iray  no voafira  famaky tamin’ny lohany sy very fananana, soa ihany fa avotra   ny ain’ilay raim-pianakaviana izay mitantara ny loza  nitrangana taminy.

Tamin’ny io andro zoma io, tokony  ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina,no notafihan’ ny dahalo maro  maro mitondra basy mahery vaika sy  zava-maranitra ny toerana antsoina hoe “Nanahary”. Voakapa famaky tamin’ny loha ilay raim-pianakaviana sady mpivarotra. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny finday  roa, « ordi portable” sy ny “écran”. Talohan’izany dia notafihan’ireo olon-dratsy ihany koa ny valan’omby tao ambadiky ny trano tamin’io  zoma io ihany.

Nomarihan’ ilay raim-pianakaviana, fa efa indroa izao no notafihan’ireo olon-dratsy io toerana io tamin’ny volana marsa 2017. Nanahary izay toerana tsy lavitra ny tobin’ny zandary ao Camp Robin, roan-jato metatra monja ary mirehitra jiro (paneau solaire) mandritra ny alina manontolo.

Efapolo minitra taoarian’ny fanafihana vao tonga ireo mpitandro ny filaminana tamin’io zoma alina io miaraka amin’ny fokonolona noho ny tahotra misy eo anatrehan’ireo dahalo manana fitaovam-piadiana mahery vaika. Koa miantso vonjy amin’ny fanjakana foibe ny mponina ao  Camp Robin mba hitondra ny vahaolana mahomby amin’ity tsy fandriampahalemana manjaka lava any an-toerana ity. Mbola mitsabo  tena ao amin’ny hopitaly be ao Ambositra ilay naratra.Misy arak’izany ny fitarainana napetrak’ity farany ity amin’ny zandary.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici