Tsy toha ilay nofinofy ! Sembanin-drahona omaly maraina ilay vinavinan’izy dimy mianaka, Zoto sy ny fianakaviany, hitety an-tongotra sy am-bisikleta an’i Madagasikara. Nodimandry tao amin’ny CHU Androva, tao Mahajanga, mantsy ilay renim-pianakaviana andry niankian’ity fianakaviana kely ity, Rtoa Alphonsine, vadin’Atoa Randrianarison Maurice, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Zoto II. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny alin’ny zoma teo izy no nanomboka narary ary nentina avy hatrany tao amin’ity hôpitaly tao Mahajanga ity. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina no tapitra ny ainy, rehefa nihombo ny aretiny. Araka ny angom-baovao azo tetsy sy teroa dia voalaza fa toa hoe fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty ity renim-pianakaviana ity. Nanampy trotraka izay ny harerahana tamin’ireo dia an-tongotra vita hatramin’izay. Izy rahateo, raha ny vaovao hatrany, dia voalaza fa toa hoe misy « tension ». Na izany na tsy izany anefa dia nambaran’ny vaovao fa tsy nahitàna soritry ny tsimokaretina SARS-Cov-2 na ny tsimokaretin’ny Covid-19 tao aminy. Raha ny fitantaran’i Zoto (II), tamin’ny haino aman-jery iray tany an-toerana moa dia hoe teo amin’ny roa na telo andro taorian’ny nahatongavany tao Mahajanga no nahare narary tao amin’ny lohany Ramatoa Alphonsine. Ary izay indrindra aza no nahatonga azy ireo handray fiara tao Ambondromamy mandra-pahatonga tao Mahajanga fa tsy nandeha tongotra intsony. Nihombo moa ny aretiny ary izao nitondra azy tamin’ny fahatesana izao. 43 taona Ramatoa Alphonsine io nodimandry io ary namela an’i Zoto (II) ho irery sy kamboty telolahy. Anio, raha tsy misy ny fiovàna no hanainga any Mahajanga hihazo an’i Manaraka ny razana, raha nandrasana tao Aranta, Marolaka, tao an-drenivohitr’i Boina kosa omaly alina. Tsiahivina fa aman’arivony kilaometatra mahery ny lalana vitan-dry Zoto (II) mianakavy, an-tongotra sy am-bisikleta. Niainga avy any Antsiranana nihazo an’iny morontsiraka antsinanana nipaika hatrany Vangaindrano, nihodidina indray avy eo nihazo an’i Androy sy Toliara, ary ny lalam-pirenena fahafito iny, tonga teo an-drenivohitra, iray volana mahery kely teo izay, ary nitodi-doha nihazo ny lalam-pirenena fahefatra hanatratra an’Antsiranana, rehefa handalo an’i Mahajanga, kanefa dia izao nolalovan-draho-mainty izao.
Nangonin’i m.L