Nitrangan’ny loza an-dranomasina teo Fenerivo atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy iray antsoina hoe Zico, 22 taona, mpanarato, monina ao amin’ny fokontany Fenerivo Doany, no tsy hita popoka rehefa niala an-trano nandeha nanarato ny zoma 19 jona tokony tamin’ny 08 ora maraina. Efa nisy ny filazana nataon’ny haino aman-jery amin’ny fisian’ny andro ratsy talohan’izay, fa tsy nahasakana an’ity tovolahy ity nandeha nanarato izany, dia izao loza izao no nitranga. Ny sabotsy 20 jona no fantatra fa efa hita ny lakana sy ny haratony iray, saingy ny vata-mangatsiakin’ilay tovolahy 22 taona kosa tsy mbola hita popoka hatreto. Mifanome tanana ho fikarohana azy izao ny fianakaviany sy ny fokonolona ary ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ao Fenerivo atsinanana, manara-maso ny moron-dranomasina Fenerivo atsinanana. Nitohy hatramin’ny alahady sy ny alatsinainy teo ny fikarohana azy fa tsy nahitam-bokany hatreto. Efa nisy tranga tahaka izao tao amin’ny fokontany iray tao Manakatafana, distrikan’i Fenerivo atsinanana hatrany. Roa andro nentin-dranomasina nivezivezy teny ilay lakana sy ny tao anatiny, ka trondro manta no sakafon’ilay tovolahy tao anatin’ny roa andro nahitana azy taty aoriana, saingy tsy hay na toy izany izy ity satria efa hita ny lakana sy ny haratony iray tamin’ny sabotsy ihany.
Rakoutou