Voatery nangalàna ireny « engin » na irony fiarabe fampiasan’ny mpanao lalàna irony mihitsy nisokirana ny vatana mangatsiakan’ny mpamily sy ny mpanampy azy, tao ambanin’ity fiarabe iray tra-doza tamin’iny lalan’i Sambaina sy Faratsiho iny. Loza mahatsiravina nitranga ny harivan’ny alahady lasa teo tamin’ny lalam-pirenena faha-43 iny.
Tokony ho tamin’ny efatra ora mahery kely tany ho any no niseho ity tranga ity, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Fiarabe avy naka hazo avy any Ambatondradama izy io ary handeha hitodi-doha hihazo an’Ambohimandroso. Teny an-dalana anefa no niseho ny tsy nampoizina rehefa tafavoaka ny lalana ilay fiarabe feno entana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Tetezamby, fokontany Antanetilava, kaominina Ambohibary. Nibolisatra ny kodiarana, nanaraka izay ny vatabeny nentin’ny havesatry ny entana nentiny ary niafara tamin’ny fivadihany tanaty ambony ambany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nahazo rindrin-tany ny lohan’ilay fiara raha iny nivadika iny ary voatsindry ny korontam-by sy ny seza tao anatiny tao ny mpamily izany fiara izany sy olona iray teo amin’ny aloha. Ireo fokonolona teny an-toerana no niolomay namonjy ireto niharam-boina ireto, kanefa, raha ny vaovao azo dia tsy vitan’ny herim-batana fotsiny ihany ny nanesotra ireo hazo (« planche ») niaraka tamin’ireo vy isan-karazany tamin’ilay fiara nivadika. Nanao izay fara-heriny ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana tonga teny kanefa niha-nandroso ho alina ihany ny andro fa tsy mety voasikotra tao ambany ireo roa lahy niharan-doza. Hany herin’ireo teny an-toerana moa dia niantso vonjy ireo mpanao lalana hampindrana irony fiarabe fampiasan’izy ireny irony hibata an’ilay kamiao niharan-doza. Voalaza fa efa somary alina ihany vao azo tao ambany tao ny vatana mangatsiakan’izy ireo, ary efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirahana natao. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana angaha no heverina fa hahafahana mamantatra izay.
m.L