Lehilahy 26 taona sy vehivavy 30 taona no natolotra ny fitsarana omaly rehefa voasambotry ny Polisy miasa ao Manakara ny 22 jiona 2020 lasa teo raha nikasa ny hanondrana lavanily maintso tany an-toerana. Voasakan’ny Polisy teo amin’ny « barrage sanitaire » Ambokala Manakara izy ireo ny andron’io 22 jiona tokony ho tamin’ny 10 ora sy 15 minitra teo ho eo. Rehefa nosavaina ny entana nentin’izy ireo dia nahitana lavanily maintso telo kilao sy sasany tao anaty kitapo ary lavanily maintso efatra kilao tao anaty harona. Nentina natao fanadihadihana avy hatrany izy ireo avy eo nialoha izao nanolorana azy ny fitsarana izao.
T.M.